You are here

VOI Maitsoanala Andilamena : MIVAROTRA NY ALA AROVANY ANTSOKOSOKO

VOI Maitsoanala Andilamena : MIVAROTRA NY ALA AROVANY ANTSOKOSOKO

Malaza eran’izao tontolo izao ny fiarovana ny tontolo iainana. Tato ho ato moa dia ny resaka fiovaovan’ny toetr’andro no maresaka tetsy sy teroa. Anisan’ny nomena vahana ny V.O.I (Vondrona Olona Ifotony) isaky ny faritra misy azy avy hitantana ny harena voajanahary ao aminy, raha ny fitsipika ao aminy dia manana ny antsoina hoe: “zo nentim-paharazana omena” ireo VOI ireo, misy faritra ala noho izany azon’izy ireo trandrahana, mitsimbadika anefa ny rasa ankehitriny fa toa izy ireo antenaina hanirina indray no mampivandravana toy ity tranga miseho any Adilamena/Ambatondrazaka ity amin’izao fotoana izao. Manampy trotraka izany ireo Mpiasam-panjakana manampatra fahefana ka manao izao karazana afera rehetra izao. Hazo sarobidy toy ny voamboana miisa 323 no saron’ny Ben’ny tanàna, araka ny filazan’ny Ben’ny tanàna ao Andilamena RAKOTONDRAMANANA René Jackobson dia tsy misy taratasy mazava ireo hazo ireo ary tsy nahitana fitomboka ihany koa, ny tena mampalahelo hoy ihany izy dia ny lehiben’ny Mpitandro Filaminana ao Tanambe – Andilamena no tonga tao aminy milaza ho tompon’ny hazo miisa 120 taorian’ny fanelanelanana. Ankehitriny dia misy Mpiasam-panjakana sy Mpitondra foana ao ambadik’ireny afera maizina ireny ary tsy any Andilamena ihany fa na ny aty amin’ny faritra Andasibe (Moramanga) aza. Mampametra-panontaniana ihany hoe: firy amin’ireo Ben’ny tanàna eto Madagasikara no tena mikatsaka marina ny tombontsoan’ny vahoaka sy ny tanànany?

Loharanom-baovao: MAMI FM Andilamena